Fitomanian'i Jeremia

Toko faha-4

1 ALEPH Ahoana no nihamatroka ny volamena, nihasimba ny volamena madio, nieli-patrana ny vato voahasina, eny an-joron-dalambe rehetra eny.

2 BETH Ireo zanakalahin'i Siona, miendrik'andriana indrindra, voatombana an-danjam-bolamena madio, ka ahoana no natao toy ny vilany tany, asa-tànan'ny mpanefy vilany?

3 GHIMEL Ny amboadia aza manolotra nono amin'ny zanany, ka mampinono azy; fa ny zanakavavin'ny vahoakako kosa nanjary masiaka, hoatra ny ostritsa any an'efitra.

4 DALETH Ny lelan'ny zaza minono tafaraikitra amin'ny lanilaniny, azon'ny hetaheta; mangataka hanina ny ankizy madinika, nefa tsy nisy olona manome azy.

5 HE Ireo nihinam-kanim-py fahizay, dia midaboky ny hanoanana eny an-dalambe; mandamaka eny amin'ny zezika ireo nolanjaina mipetraka amin'ny jaky.

6 VAV Fa ny heloky ny zanakavavin'ny vahoakako tafahoatra noho ny fahotan'i Sodoma, izay noravana indray mihelina monja, nefa tsy nisy tanana niainga hamely azy.

7 ZAIN Namirapiratra noho ny oram-panala ny mpanapaka azy, fotsy noho ny ronono; mena noho ny voahangy ny tenany; vato safira ny tarehiny.

8 HETH Ny tavany, mainty noho ny fahamaizinana, ka tsy fantatra intsony izy eny an-dalambe, ny hodiny, miraikitra amin'ny taolany, maina tahaka ny hazo.

9 TETH Sambatra ireo matin-tsabatra, noho iretsy matin'ny hanoanana, izay mihareraka tsikelikely, maratra, noho ny tsy fisian'ny vokatry ny tany!

10 YOD Nisy vehivavy mora mangoraka, nefa tànany no nahandro ny zanany, dia nataony hanina izany, tamin'ny fandringanana ny zanakavavin'ny vahoakako.

11 KAPH Nanampatra hatramin'ny fara fahatezerany Iaveh, nandefa ny fahatezerany mirehitra; dia nandrehitra afo tao Siona izy, ka levon'izany ny fanorenany.

12 LAMED Tsy mba nino ireo mpanjakan'ny tany, na ny mponina rehetra tamin'izao tontolo izao, fa ny mpandrafy, ny fahavalo dia ho tafiditra ny vavahadin'i Jerosalema.

13 MEM Izany no tonga dia noho ny fahotan'ny mpaminaniny, sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka tao anatin'ny mandany ny ran'ny marina.

14 NUN Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy ireo, sady nihosin-dra, hany ka tsy azo nokasihina akory ny fitafiany.

15 SAMECH Mitanilà! Maloto e! hoy ny antsoantson'ny olona, Mitanilà hianareo! Mitanilà hianareo! Aza mikasika azy. Nirenireny atsy sy arý, ka hoy ny olona any amin'ny firenena: Aoka tsy hitoetra atý ireny!

16 PHE Ny tavan'ny Tompo vinitra nampihataka azy; tsy mijery ireny intsony izy. Ny mpisorona, tsy nasian'ny fahavalo hajany; ny anti-panahy, tsy nananany antra.

17 AIN Ary isika, nihavizaka ny masontsika, mbola miandry izay vonjy foana; eny an-tampon'ny tilikambontsika eny isika no nitsinjo, izay firenena tsy hahavonjy antsika akory.

18 TSADE Nitsikilo ny diantsika izy, nisakana antsika tsy handeha eny amin'ny kianjantsika. Manantomotra ny fiafarantsika, tapitra ny androntsika; eny, efa tonga ny fiafarantsika!

19 KOPH Izay nanenjika antsika dia faingam-pandeha, noho ny voromahery eny an-danitra. Notanahiny teny an-tendrombohitra isika; nanaovany otrika tany an'efitra.

20 RESCH Ilay fofon'aintsika, ilay voahosotry ny Tompo, voasambotra tao an-davak'izy ireo, dia ilay nataontsika hoe: Eo ambanin'ny alokalony, no ho velona any amin'ny firenena isika.

21 SCHIN Mifalia sy miravoravoa, ry zanakavavin'i Edoma, izay monina any amin'ny tanin'i Hosa! Horosoana ny kapoaka koa hianao; ka himamo dia hitanjaka.

22 THAV Lasan'izay ny helokao, ry zanakavavin'i Siona, tsy hanesi-tany anao intsony izy. Mamangy ny helokao izy, ry zanakavavin'i Edoma, asehony miharihary ny fahotanao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0468