Fitomanian'i Jeremia

Fitomaniana toko 4
Loza tamin'ny andro faran'ny fahirano.

       1 ALEPH
Ahoana no nihamatroka ny volamena,
nihasimba ny volamena madio,
nieli-patrana ny vato voahasina,
eny an-joron-dalambe rehetra eny.
       2 BETH
Ireo zanakalahin'i Siona, miendrik'andriana indrindra,
voatombana an-danjam-bolamena madio,
ka ahoana no natao toy ny vilany tany,
asa-tànan'ny mpanefy vilany?
       3 GHIMEL
Ny amboadia aza manolotra nono amin'ny zanany,
ka mampinono azy;
fa ny zanakavavin'ny vahoakako kosa nanjary masiaka,
hoatra ny ostritsa any an'efitra.
       4 DALETH
Ny lelan'ny zaza minono tafaraikitra
amin'ny lanilaniny, azon'ny hetaheta;
mangataka hanina ny ankizy madinika,
nefa tsy nisy olona manome azy.
       5 HE
Ireo nihinam-kanim-py fahizay,
dia midaboky ny hanoanana eny an-dalambe;
mandamaka eny amin'ny zezika
ireo nolanjaina mipetraka amin'ny jaky.
       6 VAV
Fa ny heloky ny zanakavavin'ny vahoakako tafahoatra
noho ny fahotan'i Sodoma,
izay noravana indray mihelina monja,
nefa tsy nisy tanana niainga hamely azy.
       7 ZAIN
Namirapiratra noho ny oram-panala ny mpanapaka azy,
fotsy noho ny ronono;
mena noho ny voahangy ny tenany;
vato safira ny tarehiny.
       8 HETH
Ny tavany, mainty noho ny fahamaizinana,
ka tsy fantatra intsony izy eny an-dalambe,
ny hodiny, miraikitra amin'ny taolany,
maina tahaka ny hazo.
       9 TETH
Sambatra ireo matin-tsabatra,
noho iretsy matin'ny hanoanana,
izay mihareraka tsikelikely, maratra,
noho ny tsy fisian'ny vokatry ny tany!
       10 YOD
Nisy vehivavy mora mangoraka, nefa tànany
no nahandro ny zanany,
dia nataony hanina izany,
tamin'ny fandringanana ny zanakavavin'ny vahoakako.
       11 KAPH
Nanampatra hatramin'ny fara fahatezerany Iaveh,
nandefa ny fahatezerany mirehitra;
dia nandrehitra afo tao Siona izy,
ka levon'izany ny fanorenany.
       12 LAMED
Tsy mba nino ireo mpanjakan'ny tany,
na ny mponina rehetra tamin'izao tontolo izao,
fa ny mpandrafy, ny fahavalo dia ho tafiditra
ny vavahadin'i Jerosalema.
       13 MEM
Izany no tonga dia noho ny fahotan'ny mpaminaniny,
sy ny heloky ny mpisorony,
izay nandatsaka tao anatin'ny mandany
ny ran'ny marina.
       14 NUN
Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy ireo,
sady nihosin-dra,
hany ka tsy azo nokasihina akory
ny fitafiany.
       15 SAMECH
Mitanilà! Maloto e! hoy ny antsoantson'ny olona, Mitanilà hianareo!
Mitanilà hianareo! Aza mikasika azy.
Nirenireny atsy sy arý, ka hoy ny olona any amin'ny firenena:
Aoka tsy hitoetra atý ireny!
       16 PHE
Ny tavan'Iaveh vinitra nampihataka azy;
tsy mijery ireny intsony izy.
Ny mpisorona, tsy nasian'ny fahavalo hajany;
ny anti-panahy, tsy nananany antra.
       17 AIN
Ary isika, nihavizaka ny masontsika,
mbola miandry izay vonjy foana;
eny an-tampon'ny tilikambontsika eny isika no nitsinjo,
izay firenena tsy hahavonjy antsika akory.
       18 TSADE
Nitsikilo ny diantsika izy,
nisakana antsika tsy handeha eny amin'ny kianjantsika.
Manantomotra ny fiafarantsika, tapitra ny androntsika;
eny, efa tonga ny fiafarantsika!
       19 KOPH
Izay nanenjika antsika dia faingam-pandeha,
noho ny voromahery eny an-danitra.
Notanahiny teny an-tendrombohitra isika;
nanaovany otrika tany an'efitra.
       20 RESCH
Ilay fofon'aintsika, ilay voahosotr'Iaveh,
voasambotra tao an-davak'izy ireo,
dia ilay nataontsika hoe: Eo ambanin'ny alokalony,
no ho velona any amin'ny firenena isika.
       21 SCHIN
Mifalia sy miravoravoa, ry zanakavavin'i Edoma,
izay monina any amin'ny tanin'i Hosa!
Horosoana ny kapoaka koa hianao;
ka himamo dia hitanjaka.
       22 THAV
Lasan'izay ny helokao, ry zanakavavin'i Siona,
tsy hanesi-tany anao intsony izy.
Mamangy ny helokao izy, ry zanakavavin'i Edoma,
asehony miharihary ny fahotanao.