Fitomanian'i Jeremia

Toko faha-5

1 Tsarovy ny nanjo anay, ry Iaveh ô, jereo sy diniho ity fahafaham-barakanay.

2 Ny lovanay, lasan'ny hafa firenena, ny tranonay, lasan'ny olon-tsy fantatra.

3 Kamboty tsy manan-dray izahay, toy ny mpitondratena ny reninay.

4 Mividy vola izahay vao misotro ny ranonay, mikarama vao mahazo kitay.

5 Ny mpanenjika anay mandodona anay avy ao aoriana; ka reraka, tsy mahita hiainana izahay.

6 Mananty tànana amin'i Ejipta sy amin'i Asiria izahay, hivoky mofo.

7 Nanota ny razanay, tsy eo intsony anefa izy, ka izahay ity no mivesatra ny helony.

8 Andevo no manapaka anay, tsy misy olona manafaka anay amin'ny tànan'ireo.

9 Manao vy very ny ainay hahazoanay hanina eo anoloan'ny sabatry ny efitra.

10 Mahamay, hoatra ny lafaoro, ny hoditray, noho ny hamafin'ny hanoanana.

11 Nosavihin'izy ireo ny vehivavy tao Siona, mbamin'ny virjiny tamin'ny tanànan'i Joda.

12 Misy mpanapaka nahanton'ny tànan'izy ireo, ny tavan'ny anti-panahy tsy nasiany hajany,

13 ny zatovo nitondra ny fikosohom-bary; ny ankizy nivembena, mivesatra hazo.

14 Ny loholona nitsahatra tsy nankeny am-bavahady intsony; ary ny zatovo tsy nitendry ny valihany intsony.

15 Nitsahatra ny fifalian'ny fonay; niova ho fisaonana ny dihinay.

16 Nianjera ny satro-boninahitry ny lohanay; eny, loza ho anay, fa nanota izahay!

17 Izao no antony raha marary ny fonay, izao no antony raha nihamaizina ny masonay,

18 dia satria lao ny tendrombohitra Siona, ka ny amboadia no mikarenjy ao.

19 Hianao, ry Iaveh, dia ao amin'ny fiketrahanao mandrakizay; ny seza fiandriananao maharitra amin'ny taona mifandimby!

20 Ahoana no dia hanadinoanao anay mandrakizay, dia handao anay amin'ny andro lava toy izao?

21 Ampivereno aminao izahay, ry Iaveh, dia hiverina, havaozy ny andronay toy ny fahiny indray.

22 Fa dia narianao tokoa va izahay, sy ho tezitra tsy an'erany aminay va hianao?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0384