Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko voalohany

1 Paoly Apostoly, tsy avy amin'olombelona, na avy amin'ny alalan'ny olombelona, fa avy amin'i Jesoa-Kristy sy Andriamanitra Ray izay nanangana azy tamin'ny maty,

2 mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny Eglizy rehetra aty Galatia: 6 Gaga aho raha dia mivadika faingana toy izao hianareo, ka ilay niantso anareo ho amin'ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray.

7 Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie, fa ny Evanjelin'ny Kristy ihany no tadiavin'ny sasany hovana, mba hampitabataba anareo fotsiny! 8 Fa na ny tenanay, na anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka ho voaozona izy. 9 Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy. 10 Ary ankehitriny, olombelona ve no ilàko sitraka sa Andriamanitra? Moa ny hamalifaly ny olombelona va no kendreko? Raha mbola mila sitraka amin'olombelona koa aho, dia tsy mpanompon'ny Kristy akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0563