Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko voalohany

11 Ampafantariko anareo, ry rahalahy, fa ny Evanjely izay notoriko taminareo, dia tsy mba avy amin'olombelona;

12 fa tsy tamin'olombelona no nandraisako na nianarako azy, fa tamin'ny fanambaran'i Jesoa-Kristy. 13 Efa renareo ihany ny toetrako fony aho mbola nanaraka ny fivavahan'ny Jody, fa nanenjika fatratra ny Eglizin'Andriamanitra sy nandrava azy aho; 14 ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jody mihoatra noho ny maro indray nihira tamiko teo amin'ny fireneko aho, sady fatra-pitàna ny lovan-tsofina avy amin'ny razako. 15 Nefa, nony sitrak'Andriamanitra ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin'ny fahasoavany,

16 ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako azy any amin'ny jentily, niaraka tamin'izay, dia tsy naka hevitra tamin'ny nofo aman-drà aho, 17 na niakatra tany Jerosalema ho any amin'ny Apostoly talohako akory, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damasa indray. 18 Efa telo taona taty aorian'izany, vao niakatra hamangy an'i Piera tany Jerosalema aho, sy nitoetra tao aminy tapa-bolana. 19 Fa ny Apostoly sasany, dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba rahalahin'ny Tompo ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1106