Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-2

16 nefa nony fantatsika fa tsy ny asan'ny Lalàna no anamarinana ny olona, fa ny finoana an'i Jesoa-Kristy, dia mba nino an'ny Kristy Jesoa koa isika, mba hohamarinina amin'ny finoana azy, fa tsy amin'ny asan'ny Lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny Lalàna. 19 satria noho ny Lalàna no nahafatesako ny amin'ny Lalàna, mba ho velona ho an'Andriamanitra aho. Niara-nofantsihana tamin'ny Kristy teo amin'ny hazo fijaliana aho, 20 ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa ny Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin'ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, ilay efa tia ahy, sy nanolo-tena hamonjy ahy. 21 Amin'izany dia tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha ohatra ka avy amin'ny Lalàna kosa ny fahamarinana, dia ho maty foana ny Kristy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0876