Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-3

1 Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo Jesoa mifantsika!

2 Izao ihany no tiako ho fantatra aminareo: ny asan'ny Lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fihainoana ny finoana? 3 Ahoana no dia mahakely saina anareo loatra toy izany, fa nanomboka tamin'ny fanahy hianareo, ka dia hiafara amin'ny nofo indray ve? 4 Dia ho nahafantatra foana zava-mahagaga toy izany va hianareo? Ka asa raha tsy ho foana tokoa! 5 Izay manome anareo ny Fanahy, sy mahavita asa lehibe eo aminareo, amin'ny asan'ny Lalàna va no anaovany an'izany, sa amin'ny fihainoana ny finoana?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1133