Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-3

22 Fa nohidian'ny Soratra Masina tao amin'ny fahotana izao rehetra izao, mba ho ny finoana an'i Jesoa-Kristy no hahazoan'izay mino, ny fampanantenana. 23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia nohidiana hambenan'ny Lalàna isika, mba ho amin'ny finoana izay efa haseho aty aoriana. 24 Ny Lalàna àry dia toy ny mpitaiza nitarika antsika ho amin'ny Kristy, mba hohamarinina amin'ny finoana isika.

25 Koa nony tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika; 26 fa efa zanak'Andriamanitra amin'ny finoana ao amin'i Jesoa-Kristy hianareo rehetra. 27 Satria hianareo rehetra natao batemy ho an'ny Kristy, dia nitafy ny Kristy avokoa. 28 Ka tsy misy Jody na jentily intsony; tsy misy andevo na tsy andevo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany hianareo rehetra ao amin'ny Kristy Jesoa. 29 Ary raha an'ny Kristy hianareo, dia taranak'i Abrahama tahaka azy, ka mpandova araka ny fampanantenana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0519