Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-3

26 fa efa zanak'Andriamanitra amin'ny finoana ao amin'i Jesoa-Kristy hianareo rehetra. 27 Satria hianareo rehetra natao batemy ho an'ny Kristy, dia nitafy ny Kristy avokoa. 28 Ka tsy misy Jody na jentily intsony; tsy misy andevo na tsy andevo, tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany hianareo rehetra ao amin'ny Kristy Jesoa. 29 Ary raha an'ny Kristy hianareo, dia taranak'i Abrahama tahaka azy, ka mpandova araka ny fampanantenana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0934