Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-4

5 mba hanafaka izay teo ambanin'ny Lalàna, sy handraisantsika ny fananganan-janaka. 22 Voasoratra ao fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama, ny iray tamin'ny andevovavy, ary ny iray tamin'ny olona afaka. 23 Ilay zanak'andevovavy, nateraka araka ny nofo; ary ilay zanak'olona afaka, araka ny fampanantenana. 24 Ohatra amin'ny fanekena roa izy roa vavy ireo: ny iray moa, avy amin'ny tendrombohitr'i Sinai, miteraka ho amin'ny fanandevozana, dia Agara izany 26 Fa Jerosalema any ambony izay renintsika kosa, dia tsy mba andevo; 27 fa voasoratra hoe: Mifalia, ry momba, dia hianao izay tsy niteraka! Miantsoa mafy amin-kafaliana sy firavoravoana, hianao izay tsy mbola nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny mananotena no maro noho ny an'izay manam-bady! 31 Koa amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevo isika, fa zanak'olona afaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2605