Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata
Toko faha-5
1 Efa navotan'ny Kristy ho amin'ny fahafahana isika, ka mijoroa amin'izany, fa aza mety hampidirina amin'ny jiogan'ny fanandevozana intsony.2 Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforana hianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza ny Kristy. 3 Eny, averiko indray amin'ny olona rehetra manaiky hoforana fa vao mainka koa voafehy hanatanteraka ny Lalàna rehetra aza izy. 4 Fa tafasaraka amin'ny Kristy hianareo rehetra mitady fahamarinana amin'ny Lalàna, ka lavo niala tamin'ny fahasoavana hianareo. 5 Izahay kosa dia amin'ny Fanahy sy noho ny finoana no iandrasanay ny fanantenana ny fahamarinana; 6 satria ao amin'ny Kristy Jesoa dia tsy mampaninona izay famorana na tsy famorana, fa ny finoana ampiasain'ny fitiavana ihany no izy.