Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-5

1 Efa navotan'ny Kristy ho amin'ny fahafahana isika, ka mijoroa amin'izany, fa aza mety hampidirina amin'ny jiogan'ny fanandevozana intsony.

13 Efa voantso ho amin'ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon'ny namany avy.

14 Fa ny Lalàna rehetra dia ao anatin'ny teny tokana hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. 15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana. 16 Izao àry no lazaiko: Mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.

17 Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin'ny an'ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin'ny an'ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo hianareo. 18 Raha tarihin'ny Fanahy anefa hianareo, dia tsy mba ambanin'ny Lalàna intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1196