Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-5

16 Izao àry no lazaiko: Mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.

17 Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin'ny an'ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin'ny an'ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo hianareo. 18 Raha tarihin'ny Fanahy anefa hianareo, dia tsy mba ambanin'ny Lalàna intsony. 19 Ary miharihary ny asan'ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, 21 fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. 22 Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana,

23 fahalemem-panahy, fahalalana onona: tsy misy izay Lalàna mikasika an'ireo. 24 Izay an'ny Kristy Jesoa dia efa namantsika ny nofony mbamin'ny faniriana amam-pilan-dratsiny tamin'ny hazo fijaliana. 25 Velona amin'ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny Fanahy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1646