Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-5

18 Raha tarihin'ny Fanahy anefa hianareo, dia tsy mba ambanin'ny Lalàna intsony. 19 Ary miharihary ny asan'ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, 21 fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. 22 Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana,

23 fahalemem-panahy, fahalalana onona: tsy misy izay Lalàna mikasika an'ireo. 24 Izay an'ny Kristy Jesoa dia efa namantsika ny nofony mbamin'ny faniriana amam-pilan-dratsiny tamin'ny hazo fijaliana. 25 Velona amin'ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny Fanahy;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0685