Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-6

1 Ry rahalahy, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka hianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon'ny fakam-panahy koa.

2 Mifampitondrà entana hianareo, dia ho tanterakareo amin'izany ny lalàn'ny Kristy; 3 fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, nefa tsinontsinona izy, dia mamita-tena izany. 4 Samia mandinika ny asany avy, mba samy ho ny amin'ny tenany ihany no ho reharehany, fa tsy ho ny amin'ny an'olon-kafa, 5 satria samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra. 6 Aoka izay ampianarina ny teny finoana hanome anjara izay mampianatra azy amin'ny fananany rehetra. 7 Aza diso hevitra hianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina,

8 fa izay afafin'ny olona no hojinjany: izay mamafy ho an'ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin'ny nofo; fa izay mamafy ho an'ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny fanahy. 9 Aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin'ny fotoana isika raha tsy ketraka. 10 Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin'ny olona rehetra, fa indrindra amin'ny havana rehetra iray finoana. 11 Jereo ity sora-baventy manaraka, nosoratan'ny tànako ho aminareo.

12 Izay rehetra mila sitraka araka ny nofo, dia ireny no manery anareo hoforana; nefa noho izao ihany: fandrao enjehina noho ny hazo fijalian'ny Kristy izy. 13 Fa na dia ny tenan'izy voafora ireny aza, tsy mitandrina ny Lalàna akory; ka hany itadiavany anareo hoforana, dia ny mba hireharehany amin'ny nofonareo. 14 Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesoa-Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin'ny hazo fijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an'izao tontolo izao. 15 Tsy mampaninona na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny ho olom-baovao no tena zavatra. 16 Ho an'izay rehetra hanaraka ity fitsipika ity anie, sy ho an'ny Israelin'Andriamanitra koa ny fiadanana amam-pamindram-po! 17 Amin'izao sisa izao, aza misy manahirana ahy intsony, fa mitondra ny marik'i Jesoa amin'ny vatako aho. 18 Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika! Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0915