Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-6

14 Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesoa-Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin'ny hazo fijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an'izao tontolo izao. 15 Tsy mampaninona na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny ho olom-baovao no tena zavatra. 16 Ho an'izay rehetra hanaraka ity fitsipika ity anie, sy ho an'ny Israelin'Andriamanitra koa ny fiadanana amam-pamindram-po! 17 Amin'izao sisa izao, aza misy manahirana ahy intsony, fa mitondra ny marik'i Jesoa amin'ny vatako aho. 18 Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika! Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761