Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Galata

Toko faha-6

7 Aza diso hevitra hianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina,

8 fa izay afafin'ny olona no hojinjany: izay mamafy ho an'ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin'ny nofo; fa izay mamafy ho an'ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny fanahy. 9 Aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin'ny fotoana isika raha tsy ketraka. 10 Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin'ny olona rehetra, fa indrindra amin'ny havana rehetra iray finoana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0678