Toko faha-10                    
                
                
                    
                        5                    
                    Noho izany indrindra, nony niditra tamin'izao tontolo izao ny Kristy dia nanao hoe: Tsy nilainao ny sorona sy ny fanatitra, fa namboatra vatana ho ahy hianao;
                                                                            
                
                
                    
                        6                    
                    tsy sitrakao ny sorona dorana sy ny sorona noho ny ota,
                                                                            
                
                
                    
                        7                    
                    ka hoy aho hoe: Inty aho tonga - fa izaho no voalaza ao amin'ny horonam-boky - hanao ny sitra-ponao, Andriamanitra ô!
                                                                            
                
                
                    
                        8                    
                    Voalohany aloha lazainy hoe: Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, - dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; -
                                                                            
                
                
                    
                        9                    
                    manaraka izany tohiziny hoe: Inty aho tonga hanao ny sitra-ponao; ka manafoana ny voalohany izy amin'izany mba hanorenany ny faharoa,
                                                                            
                
                
                    
                        10                    
                    ary ny herin'izany sitra-po izany no nanamasinana antsika, tamin'ny nanoloran'i Jesoa-Kristy ny vatany indray mandeha monja.