Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-10

11 Ary ny mpisorona rehetra dia mijoro isan'andro hanao ny raharahany, sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny;

12 fa izy kosa indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo an-kavanan'Andriamanitra; 13 ka hatramin'izao izy dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay. 14 Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy. 15 Ary asehon'ny Fanahy Masina amintsika koa izany; fa rahefa voalazany hoe: 16 Fanekena toy izao no hataoko amin'ny finakavian'Israely rahefa afaka izany andro izany, dia hoy indray ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony, 17 ka havelako ny hadisoany, ary tsy hotsaroako ny fahotany; 18 ka rahefa voavela ny fahotana, dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1331