Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-11

1 Ary ny finoana no santatry ny zavatra antenaina, sy porofon'ny zavatra tsy hita.

2 Nanam-pinoana ny ntaolo ka izany no nahatsara laza azy. 3 Ny finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao, fa tsy mba zavatra hita no nanaovana izao zava-miseho izao. 4 Ny finoana no nanoloran'i Abela tamin'Andriamanitra sorona tsaratsara kokoa noho ny an'i Kaina, sy nilazana azy hoe marina, fa nankatoavin'Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho izany ihany koa, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.

5 Ny finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana, ka tsy hita intsony izy fa nafindran'Andriamanitra, ary talohan'ny namindrana azy dia voalaza fa nankasitrahan'Andriamanitra izy.

6 Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin'Andriamanitra koa: satria izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy izy, sady mamaly soa izay mitady azy. 7 Ny finoana no nandrafetan'i Noe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany, fa natahotra izy nony efa nilazan'Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita; ary izany no nanamelohany an'izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin'ny finoana.

8 Ny finoana no naneken'i Abrahama ny fiantsoan'Andriamanitra azy, handeha ho any amin'ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany.

9 Ny finoana no nitoerany tany amin'ny tany nampanantenaina toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany; toy izany koa Isaaka sy Jakoba izay mpandova izany tany nampanantenaina izany koa; 10 fa nanantena ilay tanàna mafy orina manana an'Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao izy. 11 Ny finoana koa no nahazoan'i Sarà hery hanana anaka, na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy, satria nino izy fa mahatoky ilay nampanantena.

12 Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra, sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina no avy amin'ny olona anankiray izay efa toy ny maty. 13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina, fa nahatazana azy lavitra fotsiny, dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe: vahiny sy mpivahiny izy no ety an-tany.

14 Manambara mazava izay milaza izany fa mitady tanin-drazana honenany izy. 15 Ary raha ny tany nialany no heveriny amin'izany dia ho azony atao ny miverina any indray; 16 fa tany tsara lavitra no irìny, dia ny lanitra izany. Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy, dia tsy menatra izy hantsoina hoe: Andriamanitr'izy ireo. 17 Ny finoana no nanoloran'i Abrahama an'Isaaka ho sorona, raha nozahan-toetra izy. Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana,

18 sy nilazana hoe: Avy amin'Isaaka no hihavian'ny taranakao; eny, natolony io zanany lahitokana io; 19 satria ninoany fa na dia maty aza izy dia hain'Andriamanitra atsangana, ka dia noraisiny indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany. 20 Ny finoana no nitsofan'Isaaka rano an'i Jakoba sy Esao ny amin'ny zavatra ho avy.

21 Ny finoana no nitsofan'i Jakoba rano ny zanak'i Josefa roa lahy, rahefa ho faty izy, sy nivavahany niankina tamin'ny loha tehiny. 22 Ny finoana no nilazan'i Josefa ny hialan'ny zanak'Israely, rahefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin'ny taolam-balony. 23 Ny finoana no nanafenan-drainy aman-drenin'i Moizy azy telo volana, nony efa teraka izy, satria hitany fa zaza tsara tarehy izy, ary tsy natahorany ny didin'ny mpanjaka.

24 Ny finoana no namoizan'i Moizy ny anarana hoe zanaky ny zanakavavin'i Faraona, nony efa lehibe izy, 25 fa naleony miaraka ory amin'ny vahoakan'Andriamanitra toy izay miarana amin'ny hafaliana mandalon'ny fahotana; 26 nataony ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Ejipta ny fijalian'ny Kristy, satria nijery ny valisoa izy. 27 Ny finoana no nialany tany Ejipta, tsy aman-tahotra ny fahatezeran'ny mpanjaka akory, fa nijoro toy ny mahita ilay tsy fahita izy. 28 Ny finoana no nanaovany ny Paka sy ny famafazan-dra mba tsy ho tratr'ilay nandringana ny lahimatoa ny zanak'Israely. 29 Ny finoana no nitàn'izy ireo ny ranomasina Mena, toy ny mandeha an-tanety; nony mba nanaraka kosa ny tera-tany Ejipsiana, dia nosaforan'ny rano.

30 Ny finoana no nampirodana ny mandan'i Jerikao, rahefa nohodidinina hafitoana. 31 Ny finoana no tsy nahafatesan-dRahaba vehivavy janga niaraka tamin'ny fahavalo, satria nandray ny tily tamim-pihavanana izy. 32 Ary inona koa no holazaiko? Tsy ho ampy ny andro hilazako ny amin'i Jedeona, Baràka, Samsona, Jefte, Davida, Samoela, mbamin'ny mpaminany:

33 fa noho ny finoana koa izy ireo dia nandresy fanjakana maro, niasa ara-drariny, nahazo ny nampanantenaina, nanakombona ny vavan'ny liona, 34 namono ny herin'ny afo, afaka tamin'ny lelan'ny sabatra, nositranina tamin'ny aretina, nampiseho herim-po tamin'ny ady, nampandositra ny miaramilan'ny fahavalo; 35 nandraisan'ny vehivavy ny zanany maty voatsangana tamin'ny maty. Ny sasany nampijalina ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana amin'ny maty tsaratsara kokoa; 36 ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka ary gadra mbamin'ny tranomaizina; 37 notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, nirenireny nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy, tsy nanana na inona na inona, nenjehina, nampahorina, 38 nefa tsy mendrika ho nitoerany akory izao tontolo izao, nirenireny tany an'efitra izy, sy tany an-tendrombohitra, ary tany an-johy mbamin'ny tany an-davatany. 39 Na dia nankalazaina noho ny finoana aza anefa izy rehetra ireo, dia tsy nisy nahazo ny nampanantenaina, 40 fa isika no namboaran'Andriamanitra zavatra tsaratsara kokoa, ka tsy tonga amin'ny fahatanterahana ireo raha tsy efa mby eo koa isika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1439