Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio
Toko faha-11
1 Ary ny finoana no santatry ny zavatra antenaina, sy porofon'ny zavatra tsy hita.2 Nanam-pinoana ny ntaolo ka izany no nahatsara laza azy. 8 Ny finoana no naneken'i Abrahama ny fiantsoan'Andriamanitra azy, handeha ho any amin'ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany.
9 Ny finoana no nitoerany tany amin'ny tany nampanantenaina toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany; toy izany koa Isaaka sy Jakoba izay mpandova izany tany nampanantenaina izany koa; 10 fa nanantena ilay tanàna mafy orina manana an'Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao izy. 11 Ny finoana koa no nahazoan'i Sarà hery hanana anaka, na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy, satria nino izy fa mahatoky ilay nampanantena.
12 Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra, sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina no avy amin'ny olona anankiray izay efa toy ny maty. 13 Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina, fa nahatazana azy lavitra fotsiny, dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe: vahiny sy mpivahiny izy no ety an-tany.
14 Manambara mazava izay milaza izany fa mitady tanin-drazana honenany izy. 15 Ary raha ny tany nialany no heveriny amin'izany dia ho azony atao ny miverina any indray; 16 fa tany tsara lavitra no irìny, dia ny lanitra izany. Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy, dia tsy menatra izy hantsoina hoe: Andriamanitr'izy ireo. 17 Ny finoana no nanoloran'i Abrahama an'Isaaka ho sorona, raha nozahan-toetra izy. Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana,
18 sy nilazana hoe: Avy amin'Isaaka no hihavian'ny taranakao; eny, natolony io zanany lahitokana io; 19 satria ninoany fa na dia maty aza izy dia hain'Andriamanitra atsangana, ka dia noraisiny indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.