Taratasy Ho An'ny Hebrio
Toko faha-11
32 Ary inona koa no holazaiko? Tsy ho ampy ny andro hilazako ny amin'i Jedeona, Baràka, Samsona, Jefte, Davida, Samoela, mbamin'ny mpaminany:33 fa noho ny finoana koa izy ireo dia nandresy fanjakana maro, niasa ara-drariny, nahazo ny nampanantenaina, nanakombona ny vavan'ny liona, 34 namono ny herin'ny afo, afaka tamin'ny lelan'ny sabatra, nositranina tamin'ny aretina, nampiseho herim-po tamin'ny ady, nampandositra ny miaramilan'ny fahavalo; 35 nandraisan'ny vehivavy ny zanany maty voatsangana tamin'ny maty. Ny sasany nampijalina ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana amin'ny maty tsaratsara kokoa; 36 ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka ary gadra mbamin'ny tranomaizina; 37 notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, nirenireny nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy, tsy nanana na inona na inona, nenjehina, nampahorina, 38 nefa tsy mendrika ho nitoerany akory izao tontolo izao, nirenireny tany an'efitra izy, sy tany an-tendrombohitra, ary tany an-johy mbamin'ny tany an-davatany. 39 Na dia nankalazaina noho ny finoana aza anefa izy rehetra ireo, dia tsy nisy nahazo ny nampanantenaina, 40 fa isika no namboaran'Andriamanitra zavatra tsaratsara kokoa, ka tsy tonga amin'ny fahatanterahana ireo raha tsy efa mby eo koa isika.