Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Hebrio toko 12, 1-4,
Ny faharetana - Ny fizahan'Andriamanitra toetra antsika - Fihavanana - Fahamarinana - Fanekena ny Kristy.

       1Koa amin'izany, noho isika voahodidin'ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin'izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, 2mibanjina an'i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny hazo fijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo an-kavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. 3Hevero fa niaritra ny famelezana mafy nafitsoky ny mpanota taminy izy, mba tsy ho ketraky ny fanarian-toky hianareo.
       4Hianareo tsy mbola niady nanohitra ny ota hatramin'ny fahalatsahan'ny ranareo, >