Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-12

18 Hianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy aizim-be sy kotro-baratra,

19 ary feon-trompetra sy feo niteny mafy tsy tantin'ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; 22 Fa ny nohatoninareo, dia ny tendrombohitr'i Siona tanĂ nan'Andriamanitra velona, izay Jerosalema any an-danitra, sy ny fivorian'ny anjely alinalina, 23 ny fiangonan'ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra, ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra, ny fanahin'ny olo-marina efa amin'ny fanaperana, 24 sy Jesoa mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary ny ran'ny famafazana izay miteny tsaratsara kokoa noho ny an'i Abela.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0967