Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-12

5 ary efa hadinonareo ny fananarana milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: Anaka, aza mba ketraka amin'ny fananarany anao; 6 fa izay tian'ny Tompo no faiziny, ary izay rehetra raisiny ho zanaka no kapohiny. 7 Fampianarana ho anareo ny fikapohany; fa toy ny zanaka no itondran'Andriamanitra anareo, ka iza no zanaka tsy faizin'ny rainy? 11 Marina fa mampahory amin'ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an'izay nandray azy izy. 12 Koa henjano ny tànana miraviravy sy ny lohalika miketraka; 13 ary ahitsio ny dian'ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0628