Taratasy Ho An'ny Hebrio
Toko faha-13
15 Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an'Andriamanitra amin'ny alalany mandrakariva; izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza azy. 16 Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahan'Andriamanitra. 17 Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny, fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo, - mba ho an-kafaliana no hanaovany an'izany, fa tsy ho amin'alahelo, fa tsy mahasoa anareo izany.20 Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana, izay nanatsoaka tamin'ny fahafatesana an'ilay Mpiandry ondry lehibe noho ny ran'ny fanekena mandrakizay, dia Jesoa Tompontsika, 21 no hanomana anareo amin'ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitra-pony, amin'ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy: ho azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.