Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-13

1 Mahareta amin'ny fitiavana ny rahalahy.

2 Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano anjely, nefa tsy nahalala azy. 3 Tsarovy izay mifatotra, aoka ho toy ny miara-mifatotra aminy hianareo; ary izay ampahorina koa, fa mbola ao anatin'ny nofo koa hianareo. 4 Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian'ny mpivady, fa hohelohin'Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona.

5 Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionĂ²na amin'izay anananareo, fa tenin'Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao aho, na hahafoy anao akory;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1003