Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko voalohany

1 Fahiny, tamin'ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin'ny razantsika Andriamanitra, tamin'ny vavan'ny mpaminany;

2 fa amin'izao andro farany izao kosa indray, dia tamin'ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an'izao tontolo izao. 3 Io Zanany io izay famirapiratan'ny voninahiny, sy mariky ny tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny, dia mipetraka eo an-kavanan'ny fiandrianany masina any amin'ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika, 4 ka natao ambonin'ny anjely, arakaraka ny fahambonian'anarana nolovany, fa tsy tahaka ny azy ireo. 5 Fa anjely iza no mba nilazan'Andriamanitra hoe: Zanako hianao, izaho no niteraka anao androany? sy ny hoe: Izaho no Rainy, ary izy ho Zanako?

6 Ary rahefa mampiditra ny Lahimatoa atý ambonin'ny tany indray izy, dia manao hoe: Aoka hitsaoka azy ny anjelin'Andriamanitra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3031