Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-2

14 Koa satria mana-nofo aman-drà ny zaza, dia mba naka izany koa izy, handringanany amin'ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan'ny fahafatesana, dia ny demony,

15 sy hanafahany an'izay rehetra niharan'ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany noho ny tahotra ny fahafatesana. 16 Na aiza na aiza tsy mba anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny. 17 Ka izany no tsy maintsy nanaovana azy mitovy amin'ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po izy sy Mpisorona mahatoky ny amin'Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan'ny olona; 18 fa noho ny tenany nalaim-panahy sy nijaly indrindra no ahavonjeny izay alaim-panahy koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1583