Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-2

5 Eny tokoa, tsy mba anjely no nametrahan'Andriamanitra eo ambaniny izao fiainan-ko avy lazainy izao.

6 Fa amin'ny andininy anankiray any ho any misy koa filazana manao hoe: Inona moa ny olombelona no ahatsiarovanao azy; ary izay zanak'olombelona no amangianao azy? 7 Nataonao ambany vetivety noho ny anjely izy; dia nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana ary napetrakao ambonin'ny asan-tànanao, 8 ka nataonao eo ambany tongony ny zavatra rehetra. Raha nametraka ny zavatra rehetra teo ambaniny izy, dia tsy nisy zavatra navelany tsy eo ambaniny mihitsy. Fa izao anefa tsy mbola hitantsika natao ambaniny avokoa ny zavatra rehetra; 9 fa ilay natao ambany vetivety noho ny anjely, dia izay Jesoa no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan'Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra izy. 10 Fa mendrika an'ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin'ny voninahitra, ny nandavorary ao amin'ny fijaliana ilay ihavian'ny famonjena an'ireo.

11 Satria fototra iray ihany no nihavian'izy rehetra, na ny manamasina na ny hamasinina, àny ka tsy mahamenatra azy ny miantso azy ireo hoe rahalahy, araka ny teniny hoe: 12 Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko aho, hankalaza anao eo afovoan'ny Eglizy aho;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1137