Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-3

1 Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona amin'ny fiantsoana ho any an-danitra, diniho ilay Apostoly sy ny Mpisorom-ben'ny finoana arahintsika, dia Jesoa,

2 izay nahatoky an'ilay nanendry azy, tahaka an'i Moizy "tao amin'ny tranony rehetra" koa. 3 Fa tahaka ny mahabe voninahitra ny mpanao trano noho ny trano nataony no nanaovana azy mendri-boninahitra fa tsy tahaka an'i Moizy. 4 Satria ny trano rehetra dia amboarin'ny olona, fa Andriamanitra kosa no nanamboatra ny zavatra rehetra. 5 Ary Moizy dia nahatoky tao amin'ny tranony rehetra toa ny mpanompo fotsiny, mba hanambara ny zavatra tsy maintsy holazaina; 6 fa ny Kristy kosa dia toy ny zanaka manapaka ny tranon'ny tenany, ary isika no tranony, raha tanantsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny hafaliana masina vokatry ny fanantenana. 7 Noho izany, araka ny tenin'ny Fanahy Masina hoe: Anio raha mandre ny feony hianareo,

8 aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andron'ny fakam-panahy tany an'efitra, 9 izay nakan'ny razanareo fanahy ahy, sy nizahany toetra ahy, nefa anie efa nahita ny asako nandritra ny efa-polo taona izy. 10 Tezitra tamin'izany taranaka izany aho ka nanao hoe: Maniasia amin'ny fony mandrakariva ireo, ka tsy nahalala ny diako; 11 koa nianiana noho ny hatezerako aho fa tsy hiditra amin'ny fialan-tsasatro izy ireo; 12 dia tandremo, ry rahalahy, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin'Andriamanitra velona; 13 fa mifamporisiha isan'andro, dieny mbola misy izay atao hoe "anio", mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan'ny fahotana. 14 Fa efa tonga mpiombona amin'ny Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin'ny farany ny fahatokiantsika voalohany, 15 araka ilay lazaina hoe: Anio raha mandre ny feony hianareo, aza manamafy ny fonareo, tahaka ny tamin'ny fahasosorana. 16 Fa iza moa ireny nahasosotra azy nony efa nandre ny feony? Moa tsy ireo rehetra nentin'i Moizy niala tany Ejipta va? 17 Iza no nahatezitra azy, nandritra ny efapolo taona? Moa tsy ry zareo nanota va, ka niampatrampatra tany an'efitra ny fatiny? 18 Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin'ny fialàny sasatra, afa-tsy ry zareo tsy nanaiky? 19 Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra tokoa izy ireo noho ny tsy finoany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0396