Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-3

7 Noho izany, araka ny tenin'ny Fanahy Masina hoe: Anio raha mandre ny feony hianareo,

8 aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andron'ny fakam-panahy tany an'efitra, 9 izay nakan'ny razanareo fanahy ahy, sy nizahany toetra ahy, nefa anie efa nahita ny asako nandritra ny efa-polo taona izy. 10 Tezitra tamin'izany taranaka izany aho ka nanao hoe: Maniasia amin'ny fony mandrakariva ireo, ka tsy nahalala ny diako; 11 koa nianiana noho ny hatezerako aho fa tsy hiditra amin'ny fialan-tsasatro izy ireo; 12 dia tandremo, ry rahalahy, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin'Andriamanitra velona; 13 fa mifamporisiha isan'andro, dieny mbola misy izay atao hoe "anio", mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan'ny fahotana. 14 Fa efa tonga mpiombona amin'ny Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin'ny farany ny fahatokiantsika voalohany,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1217