Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio
Toko faha-4
1 Koa aoka hatahotra isika, dieny mbola manana ny teny fampanantenana, fa hiditra amin'ny fialàny sasatra, mba tsy hisy tsy hahatratra izany aminareo na dia iray aza.2 Fa isika koa dia nitoriana filazana mahafaly toa an'ireny, saingy tsy nombany finoana ny teny ren'izy ireny, ka tsy nahasoa azy akory. 3 Fa isika izay mino kosa dia hiditra amin'ny fialan-tsasatra, araka ny voalazany hoe: Nianiana noho ny hatezerako aho fa tsy hiditra amin'ny fialan-tsasatro izy ireo: toy izany ny teniny, na dia efa vita tapitra hatramin'ny niandohan'izao tontolo izao aza ny asany. 4 Fa hoy izy hoe, amin'ny andininy anankiray any ho any ny amin'ny andro fahafito: Ary Andriamanitra niala sasatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito; 5 ary eto indray, hoy izy: Tsy hiditra amin'ny filan-tsasatro izy ireo. 11 Koa aoka isika hazoto miditra amin'izany fialan-tsasatra izany, mba tsy hisy ho latsaka amin'ny tsy finoana tahaka ireny koa.