Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-4

14 Koa noho isika manana Mpisorona lehibe izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesoa Zanak'Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.

15 Satria tsy mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin'ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana. 16 Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan'ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin'ny andro ilàntsika izany.

Toko faha-5

7 Tamin'ny andron'ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin'ilay nahavonjy azy tamin'ny fahafatesana izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an'Andriamanitra, 8 dia nianatra ny fanekena tamin'ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza; 9 ary ankehitriny, efa tonga amin'izay fanaperana izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an'izay manaiky azy,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.062