Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-4

5 ary eto indray, hoy izy: Tsy hiditra amin'ny filan-tsasatro izy ireo. 14 Koa noho isika manana Mpisorona lehibe izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesoa Zanak'Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.

15 Satria tsy mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin'ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana. 16 Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan'ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin'ny andro ilàntsika izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1331