Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-7

1 Io Melkisedeka io, izay mpanjakan'i Salema, mpisoron'ny Avo indrindra, nitsena an'i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy,

2 notoloran'i Abrahama ny ampahafolon'ny babony rehetra; - mpanjakan'ny fahamarinana no hevitr'anarany voalohany, vao mpanjakan'i Salema koa, izany hoe mpanjakan'ny fiadanana; 3 tsy ray tsy reny azy, tsy nanana tantaram-pirazanana izy, tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana - ka nampitovina tamin'ny Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay. 15 Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany, rahefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho tahaka an'i Melkisedeka: 16 tsy mba voatendry araka ny didin'ny Lalàna momba ny nofo, fa araka ny herin'ny fiainana tsy manam-pahataperana, 17 fa toy izao no anambarana azy: Hianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban'i Melkisedeka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1196