Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-7

8 Tsy izany ihany koa, fa tamin'izy ireo dia olona mety maty no mandray ny ampahafolon-karena, fa amin'izao kosa dia olona ambara hoe velona. 25 Noho izany koa, dia mahavonjy marimarina izay manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo. 26 Eny tokoa, dia Mpisorombe toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voavaka amin'ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;

27 ary tsy mila hanolotra sorona isan'andro toy ny mpisorombe hafa ho an'ny fahotan'ny tenany aloha, dia ho an'ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja izy no nanao izany tamin'ny nanolorany ny tenany, dia ampy. 28 Satria olona zoim-pahalemena no atsangan'ny Lalàna ho mpisorombe: fa ny tenin'ny fianianana taorian'ny Lalàna kosa dia manendry ny Zanaka, izay tonga amin'ny fara fanaperana mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0361