Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-8

6 Fa ny azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra, fa Mpanalàlana amin'ny fanekena tsaratsara kokoa sy miankina amin'ny fampanantenana ambony kokoa. 7 Eny tokoa, satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany, dia tsy nisy antony hanoloan'ny faharoa azy akory.

8 Fa mova tsy ny manome tsiny azy rehetra Andriamanitra no miteny toy izao: Indro, hoy ny Tompo, ho avy ny andro hanaovako fanekena vaovao amin'ny fianakavian'Israely sy ny fianakavian'i Jodà; 9 tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin'ny razan'izy ireo, tamin'ny andro nitantanako sy nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy, hoy ny Tompo; 10 fa fanekena toy izao kosa no hataoko amin'ny fianakavian'Israely, rahefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Halatsako ao an-tsainy ny lalàko, ary hosoratako ao am-pony; ka izaho ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy kosa ho vahoakako. 11 Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy, na hanao amin'ny rahalahiny hoe: Mahalalà an'Andriamanitra. Fa samy hahalala ahy avokoa izy rehetra, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra. 12 Satria havelako ny hadisoany, ary tsy hotsaroako ny fahotany. 13 Manambara ny voalohany ho efa antitra izy, amin'ny filazana ny faharoa hoe vaovao; ary izay hoe tranainy sy efa antitra dia efa madiva ho levona mihitsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.07