Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-9

2 Fa nisy tranolay natao, ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina, dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana, sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra. 3 Ary ny efitra lamba faharoa kosa, izay atao hoe fitoerana masina indrindra, dia izao no zavatra tao anatiny: 11 Fa ny Kristy kosa, nony efa tonga ho Mpisorombe ny amin'ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tànana, izany hoe tsy mba anisan'izao zava-boary izao;

12 sady tsy mba ran'osilahy na ran-janak'omby, fa ny ran'ny tenany no nentiny niditra tao amin'ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay. 13 Ary raha ny ran'osilahy sy ny ran-janak'omby aza mbamin'ny famafazana ny lavenom-bantotr'ombivavy nanamasina izay voaloto amin'ny fanadiovana ny nofo, 14 mainka ny ran'ny Kristy izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny tamin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin'ny asa maty, mba hanompoantsika an'Andriamanitra velona!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1248