Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Hebrio

Toko faha-9

11 Fa ny Kristy kosa, nony efa tonga ho Mpisorombe ny amin'ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tànana, izany hoe tsy mba anisan'izao zava-boary izao;

12 sady tsy mba ran'osilahy na ran-janak'omby, fa ny ran'ny tenany no nentiny niditra tao amin'ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay. 13 Ary raha ny ran'osilahy sy ny ran-janak'omby aza mbamin'ny famafazana ny lavenom-bantotr'ombivavy nanamasina izay voaloto amin'ny fanadiovana ny nofo, 14 mainka ny ran'ny Kristy izay nanolotra ny tenany tsy manan-tsiny tamin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin'ny asa maty, mba hanompoantsika an'Andriamanitra velona! 15 Noho izany, dia Mpanalàlana amin'ny fanekena vaovao izy, mba hahazoan'izay voantso ny lova mandrakizay nampanantenaina azy, rahefa nisy fahafatesana hanalana ny fahotana natao tamin'ny fanekena taloha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0971