Bokin'Izaia

Toko faha-11

1 Misy rantsana hipoitra amin'ny fototr'i Jese, ary misy solofo haniry avy amin'ny fakany.

2 Hitoetra eo aminy ny fanahin'ny Tompo, dia ny fanahin'ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin'ny fifidianana amam-paherezana, fanahin'ny fahalalana amam-pahatahorana an'ny Tompo.

3 Ny fahatahorana an'ny Tompo no fototry ny fahafinaretany. Tsy hitsara araka izay miseho amin'ny masony izy, na hanapaka araka izay ren'ny sofiny.

4 Ny madinika hotsarainy ara-drariny, ary ny mpietry eto an-tany dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina. Hikapoka ny tany amin'ny tsorakazon'ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin'ny fofon'ain'ny molony.

5 Fahamarinana no hisikinan'ny valahany ary fatra-po mahatoky no ho fehin-kibony.

6 Ny amboadia hiara-mitoetra amin'ny zanak'ondry, ny pantera hiara-mandry amin'ny zanak'osy; ny zanak'omby sy ny liona aman'omby mifahy, hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy.

7 Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin'ny tanim-bilona iray, ny zanak'ireo, hiray trano fandriana; ary ny liona hihinam-bilona hoatry ny omby.

8 Ny zaza minono hilalao eo amin'ny lavaky ny menarana; ary ny zaza vao misara-nono hanao ny tànany ao an-davaky ny baziliky.

9 Tsy hisy hampidi-doza na handrava, eran'ny tendrombohitra masina, satria ny tany ho feno fahalalana an'ny Tompo, toy ny fanambanin'ny ranomasina, feno ny rano manarona azy.

10 Izao no hiseho amin'izany andro izany: Ny solofon'i Jese voatsangana ho fanevan'ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin'ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1179