Bokin'Izaia

Izaia toko 12
Hiran'ny voavotra.

       1 Ka dia izao no holazainao amin'izany andro izany:
Midera anao aho, ry Iaveh, fa tezitra hianao,
nefa nihodivitra ny hatezeranao,
ka mampionona ahy hianao.
       2 Inty ny Andriamanitry ny fahafahako;
matoky aho, fa tsy manan-tahotra;
fa ny heriko sy fiderako, dia Iaveh, Iaveh,
izy no famonjena ahy teo.
       3 Hanovo rano an-kafaliana hianareo amin'ny loharanom-pamonjena, ary izao no holazainareo amin'izany andro izany:
       4 Miderà an'ny Tompo, miantsoa ny anarany;
torio amin'ny firenena ny asany lehibe,
ataovy antso avo, fa tafasandratra ny anarany.
       5 Mihirà ho an'ny Tompo fa nanao zava-mahagaga izy;
ka aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany!
       6 Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siona,
fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin'Israely!