Bokin'Izaia

Toko faha-13

1 Faminaniana momba an'i Babilona nambara tamin'Izaia, zanak'i Amosa.

2 Manangàna faneva, eo amin'ny tendrombohitra mangadihady; antsoy amin'ny feo avo izy ireo, hofay tànana izy, handingana ny vavahadin'ireo mpanapaka.

3 Izaho kosa efa nanome didy an'ireo natokako, ary efa niantso ireo lehilahy maheriko ho entiko hahafa-po ahy amin'ny hatezerako, izay miarahaba ny fiandrianako, amin'ny hobin-kafaliana.

4 Injany re ny horakoraka any an-tendrombohitra, toa hahohahom-bahoaka be; injany re ny tabataban'ny fanjakana, ny firenena tafavory: Iavehn'ny tafika izany mampanao matso ireo miaramilany mpiantafika.

5 Avy any an-tany lavitra, avy any am-paravodilanitra izy ireo dia Iaveh sy ireo entiny manatanteraka ny fahatezerany handravany ny tany rehetra.

6 Aoka hinaonaona hianareo, fa antomotra ny andron'ny Tompo: toy ny fandravana ataon'ny Tsitoha no fihaviny.

7 Noho izany ny tànana rehetra hiraviravy; ny fon'ny olombelona rehetra ho reraka,

8 hangovitra izy, ho azon'ny tebiteby amam-panaintainana; hiolanolana toy ny vehivavy miteraka izy; sady hifampijery samy hitanaka foana eo, ary hivoaramena hoatra ny afo ny tarehiny!

9 Indro tonga ny andron'ny Tompo, andro fahalozana, fahavinirina sy firehetam-pahatezerana, hampanjary ny tany ho efitra, sy handringana ny mpanota eo.

10 Fa ny kintan'ny lanitra, sy antokon-kintany, tsy mandefa ny fahazavany hamirapiratra, ny masoandro nihamaizina teo amin'ny fiposahany, ary ny volana tsy mandefa ny fahazavany.

11 Hosaziko izao tontolo izao noho ny faharatsiany; ary ny ratsy fanahy noho ny helony; hataoko mitsahatra ny fiandranandran'ny mpirehareha; ary haetriko ny avonavon'ireo mpanjaka manao jadona.

12 Hataoko mahalana mihoatra noho ny volamena madio, ny olombelona; mahalana mihoatra noho ny volamena avy any Ofira.

13 Noho izany, ny lanitra hampangovitiko; ary ny tany ho hozongozonina hiala amin'ny fitoerany, azon'ny haviniran'ny Tompon'ny tafika, amin'ny andro hirehetan'ny fahatezerany.

14 Amin'izany ny olona tahaka ny gazela henjehina, tahaka ny biby fiompy tsy misy mpamory, dia samy hitodika ny fireneny avy, sy handositra ho any amin'ny taniny.

15 Izay hita rehetra ho voagorobaka, izay voasambotra rehetra ho lavon'ny sabatra.

16 Ny zanany madinika ho montsanina eo imasony, ny tranony hobaboina ary ny vadiny hosavihina.

17 Indro hatsangako hamely azy ireo ny Meda, izay tsy mandala volafotsy, tsy maniry volamena.

18 Ny tsipikany handripaka ny zatovo; ny naloaky ny kibo, tsy hananany antra; ny zaza tsy hiantran'ny masony.

19 Ary Babilona, ilay ravaky ny fanjakana maro, haingon'ny Kaldeana be rehareha, dia hanahaka an'i Sodoma sy Gomora izay noravan'Andriamanitra. Tsy hisy mponina intsony ao aminy,

20 ary tsy honenana intsony amin'ny taona mifandimby izy; ny Arabo tsy hanangan-day eo; ary ny mpiandry biby tsy hametraka biby fiompy am-bala eo.

21 Fa ny bibidia eny an'efitra no hanao ny lavany eo, ny vorondolo no hameno ny tranony; ny ostritsa no honina any, ary ny satira no hifalihavanja eo.

22 Ny amboadia no hierona ao an-dapany lao; ary ny alikadia ao an-trano firavoravoany. Efa antomotra ny fotoanany, ary tsy hohalavaina ny androny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0992