Bokin'Izaia
Izaia toko 15
Faminaniana ny loza hanjo an'i Moaba.
1 Faminaniana ny amin'i Moaba.
Marina tokoa fa ny alina nandrobana azy,
dia fongotra Ara-Moaba.
Ny alina nandrobana azy,
Kira-Moaba dia fongotra.
2 Miakatra ho any an-tempolin'i Kamaosy sy any Dibona ny olona,
eny amin'ny fitoerana avo mba higogogogo;
migogogogo ny amin'i Nebao sy Medeba, i Moaba.
Ny loha mibory avokoa;
ny somotra voaharatra daholo.
3 Eny an-dàlambe izy ireo mitafy lasaka;
eny ambony tafon-trano sy eny an-kianja izy,
minaonaona avokoa, mijoy ranomaso daholo.
4 Mibabababa Hesebona sy Eleale;
re hatrany Jahasy ny feony.
Noho izany midradradradra ny mpiadin'i Moaba,
mangovitra ny fanahin'izy io.
5 Ory an'i Moaba ny foko;
efa mby ao Segora sahady ny mpiaro azy,
efa ao Eglata-Selisiah.
Eny, mitomany izy no miakatra
ny fiakarana Lohita;
eny amin'ny làlan'i Horonaima,
manao antsom-pahoriana ny olona.
6 Satria ritra ny ranon'i Nimrima,
maina ny ahitra,
fongana ny ahi-maitso,
tsy misy intsony izay zava-maitso.
7 Izay zavatra mba azony noraisina sy izay fitaovany,
dia nentiny any an-dafin'ny lohasahan-driaky ny Hazomalahelo.
8 Fa efa re eran'ny faritanin'i Moaba ny fitarainana,
manako hatrany Eglaima ny finanananany,
tonga hatrany Beera-Elima ny finanananany.
9 Satria feno ra ny ranon'i Dimona.
Fa hampihavy tombon-doza amin'i Dimona aho,
hampihavy liona ho amin'izay sisan'i Moaba,
dia amin'izay tavela eo amin'ny tany.