Bokin'Izaia

Toko faha-16

1 Alefaso ny zanak'ondrin'ny mpanapaka ny tany, avy any PetrĂ , hamaky ny efitra, ho any an-tendrombohitry ny zanakavavin'i Siona.

2 Tahaka ny vorona mandositra tahaka ny vorona iray akany aely, ny zanakavavin'i Moaba, eo amin'ny fitana an'i Arnona.

3 Aoka hianao hanoro hevitra anay, hanelanelana anay; hanome aloka anay, toy ny amin'ny alina, amin'ny mitatao vovonana; hanafina ny enjehina, tsy hanondro ny mandositra!

4 Aoka ireo mpandositra avy any Moaba hahazo mitoetra eo aminao; aoka hianao ho fiereny, tsy ho azon'ireo mpandringana izy; fa mitsahatra ny fanafihana, tapitra ny fandravana, lasa niala tamin'ny tany ny mpampahory.

5 Tafaorina amin'ny famindram-po ny seza fiandrianana, ary ny hipetraka amin'izany seza fiandrianana izany, araka ny fahamarinana, eo an-dain'i Davida, dia ny mpitsara anankiray mikendry ny rariny, ary mazoto hampijoro ny fahamarinana.

6 Fantatray ny avonavon'i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny rehareha aman'avonavony, ny anjonanjony aman-teny mamitaka.

7 Koa aoka Moaba hitomany an'i Moaba; aoka hidradradradra izy rehetra! Ny ampempam-boalobok'i Kira Hereseta, no aoka hitomanianareo, amim-pahareraham-po mafy.

8 Fa zoin-doza avokoa ny sahan'i Hesebona; ny amin'ny voalobok'i Sabama, dia efa noravan'ny tompon'ny firenena ny sakeliny mandadina, izay efa nisandrahaka hatrany Jazera, nandroso tsy hita lany tany an'efitra, nandefa lavitra ny solofony, nampita ny ranomasina.

9 Koa mitomany toy ny itomanian'i Jazera aho, momba ny voalobok'i Sabama; mandrotsaka ranomaso aminareo aho ry Hesebona, ry Eleale, fa ny vokatrareo amam-pararanonareo, no nahatongavan'ny fanokaran'ny mpamia.

10 Foana ny fifaliana amam-piravoravoana eo amin'ny sahan-kazo mamo, tsy misy hira na hobin-kafaliana intsony eo amin'ny tanim-boaloboka; ny mpioty voaloboka, tsy mamia divay eo amin'ny famiazana intsony; efa natsahatra ny hobin'ny mpamia.

11 Koa mipararetra hoatra ny harpa ny tsinaiko, noho ny amin'i Moaba; sy ny foko noho ny amin'i Kira-Haresa.

12 Dia ho hitan'ny olona Moaba hisasatra eo amin'ny fitoerana avony, hiditra ao amin'ny fitoera-masiny izy hivavaka, nefa tsy hahazo na inona na inona.

13 Izany no teny faminaniana notononin'ny Tompo fahiny ela ny amin'i Moaba.

14 Ary ankehitriny kosa miteny Iaveh, ka manao hoe: Ao anatin'ny telo taona, araka ny fanisana ny taona iasan'ny mpikarama, dia ho lefy ny voninahitr'i Moaba mbamin'ny vahoaka be ao aminy, fa zavatra kely foana no ho sisa, sady ho vitsy sy osa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0384