Bokin'Izaia
Izaia toko 2. 1-5
Jerosalema ho foiben'ny firenena - Haetry amin'ny andron'ny fitsarana ny mpiavonavona.
1 Ny teny hitan'Izaia, zanak'i Amosa momba an'i Jodà sy Jerosalema.
2 Izao no ho tonga any amin'ny andro farany;
ny tendrombohitry ny tranon'Iaveh,
hatao eo an-tampon'ny tendrombohitra;
sy hasandratra ho eo ambonin'ny havoana.
Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy,
3 ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe:
Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'Iaveh,
any an-tranon'ny Andriamanitr'i Jakoba;
hampianatra antsika ny làlany izy,
ary hizotra amin'ny làlany isika.
Fa avy any Siona no hivoahan'ny lalàna,
ary avy any Jerosalema no hivoahan'ny tenin'Iaveh.
4 Ho mpanelanelana amin'ny vahoaka izy,
ary ho mpitsara ny firenena maro.
Ny sabany hotefeny ho lela fangadin'omby,
ary ny lefony ho antsy fijinjana.
Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa,
ary tsy hianatra ady intsony ny olona
5 Avia, ry taranak'i Jakoba,
ka aoka handeha amin'ny fahazavan'Iaveh isika.