Bokin'Izaia

Toko faha-20

1 Tamin'ny taona nahatongavan'i Tartana nirahin'i Sargona mpanjakan'i Asiria tany Azota, sy nanaovany fahirano azy, sy nahafahany azy,

2 tamin'izany andro izany niteny Iaveh tamin'ny alalan'Izaia, zanak'i Amosa nanao hoe: Mandehana, borahy ny lasaka manarona ny valahanao, ary esory ny kapa hiala amin'ny tongotrao. Dia nataony izany, ka nandeha tsy nitafy sy tsy nikiraro izy. 3 Ary hoy Iaveh: Toy ny nandehanan'Izaia, mpanompoko, tsy nitafy, tsy nikiraro, fa famantarana amam-pambara mandritra ny telo taona, ho an'i Ejipta sy Etiopia izy, 4 no hitondran'ny mpanjakan'i Asiria ny babo avy any Ejipta; sy ny voasesi-tany avy any Etiopia, na tovolahy, na lahiantitra, tsy mitafy, tsy mikiraro, miseho valahana, ho henatr'i Ejipta.

5 Ka ho rera-po sy hangaihay izy ireo amin'izay, noho ny amin'i Etiopia, nataony hiankinana, sy noho ny amin'i Ejipta, nataony rehareha.

6 Amin'izany andro izany ny mponina eo amoron'ity ranomasina ity hanao hoe: Izao lahy no nanjo an'ilay niankinantsika, ilay noheverintsika mandositra hatonina hitady famonjena ary mba ho afaka, eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria? Ary isika indray kosa hataontsika ahoana no hahafa-mandositra?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.133