Bokin'Izaia

Izaia toko 20
Ho foana ny fanantenana miankina amin'i Ejipta sy Etiopia.

       1 Tamin'ny taona nahatongavan'i Tartana nirahin'i Sargona mpanjakan'i Asiria tany Azota, sy nanaovany fahirano azy, sy nahafahany azy, 2 tamin'izany andro izany niteny Iaveh tamin'ny alalan'Izaia, zanak'i Amosa nanao hoe: Mandehana, borahy ny lasaka manarona ny valahanao, ary esory ny kapa hiala amin'ny tongotrao. Dia nataony izany, ka nandeha tsy nitafy sy tsy nikiraro izy. 3 Ary hoy Iaveh:

Toy ny nandehanan'Izaia, mpanompoko, tsy nitafy, tsy nikiraro,
fa famantarana amam-pambara mandritra ny telo taona,
ho an'i Ejipta sy Etiopia izy,
       4 no hitondran'ny mpanjakan'i Asiria ny babo avy any Ejipta;
sy ny voasesi-tany avy any Etiopia,
na tovolahy, na lahiantitra,
tsy mitafy, tsy mikiraro, miseho valahana,
ho henatr'i Ejipta.
       5 Ka ho rera-po sy hangaihay izy ireo amin'izay,
noho ny amin'i Etiopia, nataony hiankinana,
sy noho ny amin'i Ejipta, nataony rehareha.
       6 Amin'izany andro izany ny mponina eo amoron'ity ranomasina ity hanao hoe:
Izao lahy no nanjo an'ilay niankinantsika,
ilay noheverintsika mandositra hatonina
hitady famonjena ary mba ho afaka,
eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asiria?
Ary isika indray kosa hataontsika ahoana no hahafa-mandositra?