Bokin'Izaia

Toko faha-21

1 Faminaniana ny amin'ny efitry ny ranomasina. Tahaka ny firimorimon'ny tadio mihazo any amin'ny atsimo, avy any an'efitra izany, amin'ny tany mahatahotra.

2 Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko: ny mpandroba, mandroba; ny mpandrava, mandrava. Iakaro, ry Elama! Hodidino, ry Meda! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.

3 Izany no nahafeno tebiteby ny valahako; voan'ny fanaintainana aho, toy ny vehivavy miteraka. Miolanolana aho, mahare izany; tsiravina aho mahita izany;

4 mivadika ny foko, raiki-tahotra aho; ny alina niriko, natao fotoan'ny horohoro ho ahy.

5 Ny latabatra antsangana, ny tily miambina, ny olona mihinana sy misotro. - Mitsangana, hianareo kapiteny! Hosory ny ampinga!

6 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Mandehana mametraka tily, ka aoka holazainy izay hitany.

7 Ary ny ho hitany dia mpitaingin-tsoavaly mpitaingin-tsoavaly mitaingina ampondra, mpitaingin-tsoavaly mitaingin-drameva. Dia hijery amim-pitandremana izy, amim-pitandremana fatratra.

8 Dia niantso toy ny liona izy hoe: Eto amin'ny tilikambo fitiliana no ipetrahako, ry Tompo, tsy an-kijanona tontolo andro mitsangana eto amin'ny fiambenana aho, isan'alina.

9 Indreo tamy ny olona mitaingin-tsoavaly, ny mpitaingin-tsoavaly, milahatra tsiroaroa. Dia niteny indray izy ka nanao hoe: Potraka re! Potraka re Babilona! Ary ny sarin'ireo andriamaniny rehetra nazerany novakiny tamin'ny tany.

10 Ry variko velezina o, voam-barin'ny famoloako, izay reko tamin'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely, no ambarako aminareo.

11 Faminaniana ny amin'i Domà . Misy miantso ahy avy any Seira manao hoe: Ry tily o, toy inon'alina moa izao? Ry tily o, toy inon'alina moa izao?

12 Dia mamaly ny tily manao hoe: Tonga ny maraina, ary ny alina koa. Raha te-hanontany ahy hianareo, manontania; tongava indray amin'ny fotoana hafa.

13 Faminaniana any Arabia. Any an-tanilemaka foana any Arabia, hianareo no handry, ry andian'i Dedana.

14 Mitondrà rano hitsenana an'izay mangetaheta! Ny mponina amin'ny tanin'i Temà , manatitra mofo ho an'ny mpandositra.

15 Fa izy ireo nandositra teo anatrehan'ny sabatra, teo anatrehan'ny sabatra voatsoaka, teo anatrehan'ny tsipika voahenjana, teo anatrehan'ny ady mahatsiravina.

16 Satria izao no nolazain'ny Tompo tamiko: Herintaona, araka ny fanisana ny taonan'ny mpikarama, sisa dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Sedara; ary amin'ireo tsipika maro an'ny lehilahy mahery, zanak'i Sedara, dia kely foana no sisa tavela, fa Iaveh Andriamanitr'Israely no efa niteny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2651