Bokin'Izaia

Toko faha-25

1 Tompo o, Andriamanitro hianao; hankalaza anao aho, hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga hianao; mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.

2 Fa ny tanàna nataonao zary korontam-bato, ary ny tanàna mimanda, nataonao zava-drava, ny trano mimandan'ny baribariana, tsy mba tanàna intsony, sady tsy hatsangana mandrakizay.

3 Noho izany ny firenena mahery anankiray hanome voninahitra anao; ny tanànan'ireo firenena mahatsiravina hanaja anao.

4 Hianao no trano mimanda ho an'ny osa, trano mimanda ho an'ny mahantra anatin'ny fahoriany, fialofana amin'ny ranonoram-baratra, alokaloka amin'ny hainandro migaingaina, Fa ny fifofofofon'ny mpanao jadon'ny mpanjaka dia toy ny ranonoram-baratra miantonta amin'ny ampiantany.

5 Toy ny firehitry ny hainandro amin'ny tany karankaina, no amolahanao ny fidohadohan'ny baribariana. Toy ny andresen'ny aloky ny rahona ny firehitry ny hainandro, no andresena ny akoram-pandresen'ny mpampahory.

6 Hanomanan'ny Tompon'ny tafika amin'ity tendrombohitra ity ho an'ny firenena rehetra, fanasana amin'ny hena matavy, fanasana amin'ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana.

7 Hotriariny eto amin'ity tendrombohitra ity ny voaly manarona ny olona rehetra, mbamin'ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.

8 Ny Fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay; Iaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra; ny henatry ny vahoakany hesoriny tsy hisy amin'ny tany rehetra; fa efa niteny Iaveh.

9 Izao no holazain'ny olona amin'izany andro izany: Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy; dia Iaveh izay nantenaintsika. Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin'ny famonjeny.

10 Fa ny tanan'ny Tompo hipetraka amin'ity tendrombohitra ity; ary Moaba kosa, hohosihosena an-toerana, toy ny fihosihosy mololo ao an-dobon-jezika.

11 Haninji-tànana ihany izy, ao anatin'izany fotaka izany, toy ny mpilomano maninji-tànana hilomano; nefa haetrin'ny Tompo ny avonavony, na hanampatra ny heriny rehetra aza ny tànany.

12 Ny mandanao avo be, harodany, hazerany, hatontany amin'ny tany, anatin'ny vovoka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0509