Bokin'Izaia
Izaia toko 25
Hiran'ny voavotra - Fanasan'ny voafidy - Faharavan'i Moaba.
1 Tompo o, Andriamanitro hianao;
hankalaza anao aho, hidera ny anaranao aho,
fa efa nanao zava-mahagaga hianao;
mahatoky sy maharitra ny fikasanao vita ela.
2 Fa ny tanàna nataonao zary korontam-bato,
ary ny tanàna mimanda, nataonao zava-drava,
ny trano mimandan'ny baribariana, tsy mba tanàna intsony,
sady tsy hatsangana mandrakizay.
3 Noho izany ny firenena mahery anankiray hanome voninahitra anao;
ny tanànan'ireo firenena mahatsiravina hanaja anao.
4 Hianao no trano mimanda ho an'ny osa,
trano mimanda ho an'ny mahantra anatin'ny fahoriany,
fialofana amin'ny ranonoram-baratra,
alokaloka amin'ny hainandro migaingaina,
Fa ny fifofofofon'ny mpanao jadon'ny mpanjaka
dia toy ny ranonoram-baratra miantonta amin'ny ampiantany.
5 Toy ny firehitry ny hainandro amin'ny tany karankaina,
no amolahanao ny fidohadohan'ny baribariana.
Toy ny andresen'ny aloky ny rahona ny
firehitry ny hainandro,
no andresena ny akoram-pandresen'ny mpampahory.
6 Hanomanan'ny Tompon'ny tafika
amin'ity tendrombohitra ity ho an'ny firenena rehetra,
fanasana amin'ny hena matavy,
fanasana amin'ny divay ela niotrehana,
hena matavy sy be tsoka,
divay ela niotrehana sy voatantavana.
7 Hotriariny eto amin'ity tendrombohitra ity
ny voaly manarona ny olona rehetra,
mbamin'ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
8 Ny Fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay;
Iaveh Tompo hamafa
ny ranomaso amin'ny tava rehetra;
ny henatry ny vahoakany hesoriny
tsy hisy amin'ny tany rehetra;
fa efa niteny Iaveh.
9 Izao no holazain'ny olona amin'izany andro izany: Indro ny Andriamanitsika
izay niankinantsika mba ho voavonjy;
dia Iaveh izay nantenaintsika.
Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin'ny famonjeny.
10 Fa ny tanan'ny Tompo
hipetraka amin'ity tendrombohitra ity;
ary Moaba kosa, hohosihosena an-toerana,
toy ny fihosihosy mololo ao an-dobon-jezika.
11 Haninji-tànana ihany izy, ao anatin'izany fotaka izany,
toy ny mpilomano maninji-tànana hilomano;
nefa haetrin'ny Tompo ny avonavony,
na hanampatra ny heriny rehetra aza ny tànany.
12 Ny mandanao avo be,
harodany, hazerany,
hatontany amin'ny tany, anatin'ny vovoka.