Bokin'Izaia

Toko faha-26

7 Voaravona ny sakeli-dàlan'ny marina; mahitsy ny làlana izay areninao ho an'ny marina.

8 Koa teo amin'ny lalan'ny fitsaranao no niandrasany anao, ry Iaveh, ny anaranao amam-pahatsiarovana anao, no fanirian'ny fanahinay.

9 Ny fanahiko naniry anao mandritra ny alina; ary ny saiko ato anatiko, nikatsaka anao. Satria raha mihatra amin'ny tany ny fitsaranao, dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.

12 Ry Iaveh ô, hiantoka fiadanana ho anay hianao, fa ny asanay rehetra dia hianao no nanatanteraka azy ho anay.

16 Nitady anao izy, nony azom-pahoriana, ry Tompo o, noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy.

17 Tahaka ny vehivavy bevohoka madiva ho teraka, miolanolana sy miantsoantso eo amin'ny fijaliany, tahaka izany izahay eo anatrehan'ny tavanao, ry Iaveh.

18 Fa efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, dia tsy niteraka afa-tsy rivotra. Tsy nanome ny famonjena ho an'ny tany izahay, ka tsy nisy mponina teraka ho an'izao tontolo izao.

19 Ho velona indray ny olonao efa maty; hitsangana indray ny fatin'ny oloko. Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana, hianareo izay mandry eo amin'ny vovoka, fa ny andonao, ry Tompo, dia andon'ny fahazavana; ary ny tany hamoaka indray ny maty.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.111