Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'Izaia

Izaia toko 30, 19-21

       <19Fa hianao, ry vahoaka monina ao Siona, ao Jerosalema,
tsy hitomany intsony hianao,
fa raha vao mitaraina hianao dia hamindrany fo;
raha vao mandre anao izy dia hamaly anao.
       20Homen'ny Tompo anareo,
ny hanim-piahiahiana mafy sy ny ranom-pahoriana;
ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao,
ary hahita maso an'izay mampianatra anao hianao.
       21Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe:
- Ity no làlana, ka ombao io! -
dia raha hianareo hivily na ho an-kavanana na ho an-kavia. >